Potipotika ny taolany! Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray voahitsaky ny fiarandalamby, tao Lohariandava Brickaville, tamin’ny alatsinainy maraina. Raha ny fahitana ny razana, tapaka ny tanany, ny niala ny tongony rehefa notetezin’ny kodiaram-bin’ny lamasinina. Nahazo loharanom-baovao ny lehiben’ny fokontany Lohariandava momba ny fisian’ity lehilahy hita faty ity. Niantso ireo zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Andekaleka izy taorian’izay. Niara-nijery ny zava-misy tao an-toerana izy ireo.
Voamarina ny loza. Hita nivalampatra efa tsy misy aina, teo akaikin’ny lalamby ity lehilahy niharam-boina ity. Efa fantatra avokoa ny mombamomba azy nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary. Mipetraka ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Lohariandava ihany izy. Taorian’ny fizahana nataon’ny dokotera niaraka tamin’ny zandary, natolotra ny fianakaviana ny razana.
Mitohy ny fanadihadiana momba ity raharaha ity. Ny polisy misahana ny lalamby no mandray an-tanana ny famotorana. Aorian’izay kosa no hamantarana ny marina rehetra momba ilay tranga.
Jean Claude