Fialonana: matin’izy roa lahy ny reniny

Nialona ny zaodahiny izy roa lahy. Ny reniny no nanamparan’izy ireo ny hatezerany. Nodorana ny tranony. Notaperina ny ain’ilay renim-pianakaviana.

Namoy ny ainy vokatry ny habibiana nataon’ny zanany roa lahy ny renim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Mahavita, kaominina Vohitrandriana, distrikan’i Nosy Varika, ny alin’ny 26 jona teo. Nialona ny valilahiny izy mirahalahy. Va­din’ny faravavy, niara- mipetraka amin’ilay renim-pianakaviana ilay vinantolahiny. “Eni­na mianadahy no zanak’io ramatoa io ka mi­ara-monina aminy ny zanany faravavy sy ny vinantolahiny”, hoy ny fa­nazavan’ny zandary ao amin’ny Borigady Nosy Varika. Tsy tian’ireo anadahin-drazazavavy roa lahy ireo hatry ny ela anefa io valilahiny io. Lasa masi-mandidy amin’ny fitantanana ny fambolena ao an-tanàna izy. “Efa hatry ny ela no nangataka tamin’ny reniny hanesorana io valilahiny io ireo roa lahy ireo”, hoy ny zandary. Ny alin’ny 26 jona, nisotro­sotro ireto zanak’ilay ramatoa ireto. Nodorany avy ha­trany ny tranon-dreniny. Ni­tsoaka nandositra ilay renim-pianakaviana saingy maty noho ny daroka nataon’ireo roa lahy.
Maty novonoin’ny rahalahiny
Nahare io fahavoazan-dreniny io, nikaroka ireo zokiny mirahalahy niaraka tamin’ny fianakaviany ny zanak’ilay ramatoa faralahy. “Tezitra tamin’ireo zokiny, novonoin’io faralahy io ny iray tamin’ireo zokiny nahavanon-doza”, araka ny fanamifasan’ny zandary ao an-toerana. Maty tsy tra-drano ny iray. Avotry ny zandary teny am-pelatanan’ny fokonolona ny iray hafa. Nentina notsaboina ao amin’ny CSBII Vohitrandraina ity farany ary natao fanadihadiana.

Tsiferana Randriatiana

Partager sur: