Anisan’ny imasoan’ny fitondrana amin’izao ny ady amin’ny zava-mahadomelina. Izay rehetra mampiankin-doha no mahadomelina? Mahatonga ny olona iray tsy mandeha amin’ny sitrapony, tsy mahaleo na mahafehy tena… Mety mahadomelina, ohatra, ny fiankinan-doha tafahoatra amin’ny telefaonina, faniriana… Ny saina sy ny maha izy azy ny tena no vonto sy donto.
Misy mahadomelina hafa koa amin’izao? Eo amin’ny tontolo politika, ohatra. Fiheverana na fahazarana mandoto sy mahadonto saina ny sasany: ny ahiahy sy tahotra isaky ny mihetsika ny mety hisian’ny krizy politika, ohatra. Mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana io. Miara-dalana eo ny fiankinan-doha amin’ny hoe Tetezamita na ny any ivelany hamahana olana.
Tsy karazan’izany koa ny adihevitra mahadomelina amin’izao? Misy ny manao rapadango, mihinana amim-bolony… Eo, ohatra, ny amin’ny fandroritana lava ny tsy mbola amoahan’ny governemanta ny didim-panjakana fihaikana mpifidy. Eny, na manana fotoana hatramin’ny 9 aogositra aza izy. Eo koa ny vola enti-manana ny fifidianana mampiroaroa saina izay marivo salosana.
Mbola karazan’izany koa ny amin’ny fizakan’ny filohan’ny Repoblika zom-pirenena vahiny? Resaka tian-kateza… Mila ho tafahoatra ny mety? Lasa mahadomelina na mahadonendrina aza, sanatria. Efa misy ny mibitabitaka anaty ny amin’izay mety hitranga. Nefa ny HCC ihany no hoe tompon’ny teny farany. Ho hita eo…
Be ny mahadomelina eo amn’ny tontolo politika: ny fanaratsiana izay mitranga sy atao rehetra, ny fanelezana tsaho, ny fanakorontanana… Misy ny tena miankin-doha sy manankim-po amin’izany hahombiazany amin’izay ataony sy kendreny. Mila fitsaboana? Na karazana zava na hazavana na fanazavana hatrany tsy hahadomelina amin’izao ankatoky ny fifidianana izao…
R. Nd.