Raha atao safobemantsina, mahamay ny tanàna. Misy otrikafo tsy mbola mirehitra any ambadibadika any. May ara-bakiteny ny eny an-tanàna, na mbola anaty delestazy aza. Mahazo vahana ny hain-trano mitarika fahafatesana, na ny loza maha may olombelona. Matetika voina tsy ampoizina nateraky ny tsy fitandremana izany. Tao anatin’ny tapa-bolana, firy ny zaza maty, kilan’ny afo tao an-trano. Misy ny olon-dehibe taraiky noho ny antony samihafa, vokatry ny fanaovana sorona ny ainy hanavotana ny menaky ny ainy. Indrisy, matetika miaraka levon’ny afo izy ireny.
Etsy ankilan’izay, mahamay ny raharaham-pirenena. Tsy mety voasoritra mazava, mankaiza ny zotra arahina. Mahasanganehana ny mamaly ny fanontaniana ataon’ny olon-tsotra momba izany. Tsy misy porofo mivantana mampiseho ny fahavononana amin’ny hisian’ny latsa-bato. Toa ny adilahy politika sy ny faharisarisan’ny mpifanandrina politika no misongadina. Miseholany ny fifampihantsiana, saingy toa fampideram-bola sy talenta ary hambo diso toerana ny ankamaroany. Mahafanina, mahavalalanina ny zava-miseho.
Hatramin’ny raiamandreny am-panahy izao, tsy handrenesam-peo mazava mahakasika ny fifidianana. Ilay fikaonandoham-pirenena no misoko miadana toa ron-gisa. Tsy mbola hita mivaingana ny vokany sy ny fizotrany. Mbola any am-pitetezana faritra izy ireo. Miandry herinandro maromaro vao higadona eto an-drenivohitra ny rehetra. Inona anefa ny ho vokatr’izany, manoloana ny raharaham-pirenena ? Iaraha-mahita, na ny mpitondra fivavahana aza tsy manam-bahaolana afa-tsy ny fitanisana ny olan’ny vahoaka malagasy.
Toa rafotsibe very laona ny vahoaka malagasy, miraviravy tanana, miandry izay higadonany sisa ! Marefo loatra ka tsy manan-kery hitakina ny marina sy ny mangarahara intsony.
r.r