Mihamazava tsikelikely ny raharaham-pirenena. Mibaribary fa mbola baikoin’ny mpiara-miasa vahiny i Madagasikara. Tsy afa-miala amin’ny vahohon’ny mpanohana teknika sy ara-bola. Tsy maintsy hisy ny fifidianana, araka ny tetiandro navoakan’ny vaomiera mahaleo tena momba ny fifidianana ireny. Efa misy ny ampaham-bola nentina niasa. Manomboka hivoaka ihany koa ny famatsiana avy amin’ny vazaha na ny « basket fund ». Efa nambara ofisialy, teny Iavoloha, rahateo izany tamin’ny herinandro lasa teo, nandritra ny fanaovana tatitra tamin’ny mpiara-miombon’antoka.
Inona anefa no ao ambadik’izany rehetra izany ? Tsy mbola mahaleo tena, voageja ny Malagasy. Mifaningotra tadimpoitra amin’ny « reny malala » andaniny, vita fatidra tsy afa-mivadika amin’ ny firenen-dehibe, ankilany. Porofon’izany, mbola ho avy eto Madagasikara rahafakampitso ny iraka frantsay. Delegasiona hotarihin’ny minisitra misahana an’i Eoropa sy ny raharaham-bahiny, raha tsy misy ny fiovana. Manangasanga any koa ny fanovana governemanta, hanomana ny fifidianana. Fepetra iray, voalazan’ny loharanom-baovao fa takin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena mba hivoahan’ilay vola hanaovana fifidianana.
Tsy vitan’izay, anisan’ny firenena iray nangataka ny fanampian’ny Amerikanina i Madagasikara. Nivoitra izany tamin’ny fihaonana teo amin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry sy ny filoha Joe Biden, ny volana desambra lasa teo, tany Etazonia. Ireo firenena dimy, manomana fifidianana, nanao sonia ny tondrozotra napetraky ny Amerikanina anefa, tsy maintsy manaja ny demokrasia. Tsy maintsy manaja ny datim-pifidianana voalazan’ny Lalàmpanorenana, raha te hahazo ny famatsiam-bola marolafy. Mazava be, tsy afa-miala i Madagasikara, tsy maintsy milefitra amin’ny tsindry iraisam-pirenena. Samy miandry ny fivoaran’ny toe-draharaha ny rehetra, araka izany.
r.r