Noho ny fari-piainana
Mihamaro ireo fonenana tsizarizary
Misy eto an-dRenivohitra ny faritra antsoina hoe “La Réunion kely, bidonville ’’na fonenana tsizarizary. Fiainan’olona enyisan’andro ny mitrandraka fanariam-pako. Miverina mandraoka fako karazany maro ny olona miaina amin’io toerana io, ary mandahatra mivarotra izany eo aminy. Mahita 5 000 Ar isan’andro amin’ny ankapobeny, ambony na latsaka. Amidy amin’izany ny tavoahangy plastika, fonosana samihafa, taolana isan-karazany, sy izay mbola azo amidy rehetra ….
« Sarotra ny mahita mpividy, ary tsy misy eto ny misakafo araka ny tokony ho izy. Amin’ny 2 000 Ar izay azo, ohatra, afaka misotro kafe ny maraina ary manome izay azo hoanina na mandefa ny zaza any an-tsekoly, fa ny lehibe kosa ny hariva ihany vao mihinana », hoy ny mponina iray mivelona amin’ny fako eny an-toerana.
Very ny tena asa
Miha mitombo ankehitriny ny « bidonvilles », ny mpangataka, ny olona tsy afaka mitsabo tena raha sendra marary, ao ny ray aman-dreny voatery mampiasa ny zanany tsy ampy taona. Fianakaviana iray, malahelo fa very asa noho ny krizy politika ny andry iray iankinany. Tsy tezitra akory izy, araka ny filazany, saingy malahelo satria voatery mivelona amin’ny fanariam-pako ny sasany nefa olombelona afaka miasa hafa ihany. Mitombo ankehitriny ny olona maka izay azo raofina eny amin’ny fanariam-pako ary miha sarotra koa ny fiainana. Ao ny maniry ny hahita asa ara-dalàna, saingy betsaka ny tsy mahita mifanandrify amin’izany. Ankilan’izay, olana ho an’ny maro tsy manan-trano ny tsy fahitana rano fisotro madio sy herinaratra.Kaominina na tanàna maro, mila lamina ara-tsosialy. Noho izany, tokony hampitomboina ny tetibolan’ny kaominina mba hampihena ny fahantrana ; tokony ho faritana koa izay laharam-pahamehana isam-paritra
Anisan’ny mahantra indrindra i Madagasikara, hoy ny BM
1,4 tapitrisa ny Malagasy latsaka lalina anaty fahantrana, tamin’ny 2020, noho ny valanaretina « covid-19 ». Anisan’ny tany mahantra indrindra eran-tany i Madagasikara, raha ny fahitan’ny Banky iraisam-pirenena azy.
Manaporofo izany ny fahamaroan’ny fonenana tsizarizary, “bidonvilles”. Olona mahantra lalina ny mipetraka aminy, 77,4 %, araka ny antontanisa navoakan’ny Banky iraisam-pirenena. Eto Antananarivo, ohatra, vitsy anisa ny mponina mifanohitra amin’izay sy manan-karena, , mitombo isa hatrany ny olona tsy manan-trano.