Hetsika RSE andiany fahavalo: omena vahana ny famatsiam-bola ho an’ny zava-mananaina

Vonona handray andraikitra ho an’ny tontolo iainana sy amin’ny fiarahamonina. Ireo ny antoka ataon’ny BNI Mada­gascar. Mandray anjara amin’ity hetsika RSE et des initiatives pour le développement”, andiany fahavalo, atao etsy amin’ny Novotel, androany sy rahampitso, ity orinasa ity.
Mampivondrona mpian­tsehatra samihafa ny hetsika RSE ka hizara ny fahalalany ireo manampahaizana sy ireo matihanina misehatra eo amin’ny tontolo iainana ho an’ny fandrosoana maharitra. Hiza­ra ny fahitany ny karazana fa­matsiam-bola ho an’ny zava-mananaina ny mpanolotsaina ny tale jeneralin’ny BNI Mada­gascar, Ramaholi­mi­haso Bari­jaona. Resahiny ihany koa ireo fanamby sy ny fomba ahazoana famatsiam-bola amin’ity sehatra ity. Fotoana izay hamelabelarany ihany koa ireo mety ho endrika famatsiam-bola sy tetikasa miompana amin’ny natiora, iarahany amina matihanina maromaro.

Andraikitra

Manana adidy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny mpiara-belona ny sehatra tsy miankina ahafahany manitatra sy mampaharitra ny andraikitra sahaniny. Indrindra amin’ny fampandrosoana ny toekarena. Mampiasa akora avy amin’ny zava-mananaina avokoa ny orinasa ka manana adidy amin’ny tontolo iainana. Tanjon’ny hetsika ny hampitombo ny orinasa handray andraikitra bebe kokoa amin’ny rohivoary sy hanome lanja hatrany ny zava-mananaina. Tsiahivina fa nahitam-bokany hatrany ny hetsika nataon’ireo mpikarakara ka nahatonga an’ity andiany manaraka ity. Miavaka ny hetsika amin’ity taona ity noho izy handray ireo manampahaizana sy ireo matihanina samihafa avy any ivelany.

Henintsoa Hani

Partager sur: