Sokatra 412 very: miteraka disadisam-piarahamonina ao Lavavolo

Araka ny fangatahan’ny kaominina sy ny mponina, naorin’ny fikambanana Turtle Survival Alliance (TSA) ny Foibe fiarovana ny sokatra an-tanety any Lavavolo (LTC), ny taona 2017. Antony, tsy faly izy ireo tamin’ny namindrana ny sokatra tratra ka nogiazana tany Itampolo sy Androka izay nalefa any Ifaty-Mangily. Nifa­narahan’ny TSA sy ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana (Dredd-AA) Atsimo Andrefana ny fananganana ilay toerana fandraisana sokatra.

Nitsidika tampoka tao Lavavolo ny ekipan’ny Fiza­ram-paritry ny tontolo iainana sy ny ala (Ciref) avy ao amin’ny Dredd-AA, ny taona 2023. Voamarina fa nisy sokatra miisa 412. Nampanantsoin’ny fitsarana Ampanihy ny mpiambina sy mpitsabo ny sokatra iray avy amin’ny TSA/LTC. Nahazo fahafahana vonjimaika ny mpiambina. Naiditra am-ponja ilay mpiasan’ny LTC. Miambina ireo sokatra amin’izao fotoana izao ny zandarimaria ao Itampolo.

Miteraka disadisa eo amin’ny fiarahamonina ny raharaha. Andaniny, efa miriaria, tsy any am-ponja ilay olona tokony higadra. Ankilany, nametrahan’ny mponina sakana ny lalana mba tsy ahafahana mamatsy sakafo ny sokatra miisa 13 765 ao amin’ny LTC Lavavolo. Manantena ny hijerena akaiky ny zava-misy any an-toerana ny TSA sy ny mponina any an-toerana.

Njaka A.

Partager sur: