Tsaroanareo ve i Poon Pazzapa? Efa ela no adinodino izay fanampin’anarany izay, satria nanoritra ny lalany manokana ary manohy izany ity mpanakanto ity. Aleo izy no hitantara…
Gazety Taratra (*): Manana fanontaniana telo hapetraka amin’i Poon izahay. Ny voalohany, azonao fintinina ve ny momba anao sy ny lalana nodiavinao teo amin’ ny mozika?
Poon (-): Salama e! Ranaivoarisoa Joël Solomampionona, teraka ny 25 jolay 1983, manambady iray ary manana zanaka kambana mianadahy. Monina ety Itaosy-Unis…
Nanomboka niaka-tsehatra voalohany ny taona 2003, nihira sy nanentana tanaty orikesitra. Ny taona 2007 no nandray anjara tamin’ny fifaninanan-kira “Pazzapa” ary nivoaka ho mpandresy… Nanohy nihira foana, ary namoron-kira ihany koa. Ny taona 2011 aho no nanao ny Poon’Lanitra, ka namoaka rakikira fiderana iray manontolo. Hira noforoniko avokoa ny voarakitra ao, ankoatra ny hira roa nomen’ny pasitera Jocelyn Ranjarison.
Niara-dalana tamin’izay hatrany ny fanentanana tanaty orikesitra, ka ny taona 2013 aho no nanangana ny Poon & Co. Tsy
nitsahatra tamin’ny fiaraha-miasa amin’ireo namako mpanakanto mihitsy aho, araka ireny hita sy renareo ireny. Ny Gasy Band izao, iarahako amin’ireo namako samy anaty orikesitra, kanefa manana endrika hafa indray.
* 20 taona an-tsehatra… Inona avy ny hetsika hanamarihan’i Poon izany?
– Ny akaiky sy lehibe indrindra dia ny sabotsy 22 jolay izao, etsy amin’ny Espace Dera Tsiadana. Fanamarihana ny 20 taona an-tsehatra, fa faha-10 taonan’ny Poon & Co koa io. Hanasa ireo mpanakanto namako maro aho, toa an-dry Fanja Andriamanantena, Rija Ramanantoanina, Silo, Sandra, Tovo J’hay, ny Gasy Band, sns, amin’io. Hivoaka amin’io koa ny rakikira vaovao fahatelo an!
* Ny hafatr’i Poon ho an’ny mpankafy?
– Fisaorana e! ho anareo nitia ahy hatramin’izay na lavitra na akaiky. Misaotra ireo niara-niasa tamiko rehetra. Ireo nametraka fitokisana tamiko tamin’ny fetiny. Izaho efa teo sady mbola ho eo foana hanohy ny asa mozika…
Nangonin’i Zo ny Aina




