Seha-pihariana ronono: tsy maharaka ny famatsiana ny mpiompy

Mitombo ny mpanjifa ronono eto amintsika. Misedra olana anefa ny mpiompy ombivavy beronono, satria midangana ny vidin-katsaka, akora fototra amin’ny provandy. Manampy trotraka koa ny delestazy, mampitombo ny masonkarena.

Miroborobo ny seha-pihariana ronono. Nila­za ny tomponandraikitra voalohan’ny orinasa 3ème Mi-Temps, Razafindrainibe Mbolatiana, fa tsy maharaka ny famatsiana ronono, ankehitriny. Mahatratra 500 litatra isan’andro ny ronono ilain’ity orinasa manodina ny vokatry ny ronono ity amin’izao ririnina izao. Manodidina ny 200 litatra isan’andro ny ambiny, tahirizina. Lany daholo anefa izany amin’izao fotoana izao, satria nitombo ny mpanjifa. Izany no nahatonga azy ireo nanitatra ny tranombarotrany eny Ano­si­zato Andrefana.
Olana goavana ny halafosan’ny katsaka, akora fototra fanao amin’ny provandy, fihinan’ny ombivavy beronono. «Tafakatra 2.300 Ar ny kilaon’ ny katsaka izao, tato anatin’ny roa volana, mitovitovy amin’ny kilaon’ny vary. Tsy maharaka koa anefa ny vilona», hoy izy.
Manampy ireo, lafo koa ny fampiterahana tsy voajanahary ny zanak’omby, mahatratra 150.000 Ar. Vahaolana naroson’ity mpandraharaha ity, ny tokony hanafaran’ny fanjakana any ivelany, taranak’ombivavy beronono tsara karazana. Mila tohanany koa ny famatsiana masomboly katsaka tsara kalitao.
Delestazy
Olana goavana hafa koa ny fahatapahan-jiro, ka mitombo ny fandaniana. Mihena ny fotoana iasana, manodidina ny adiny 6 sisa. Mandany 80.000 Ar isan’andro hividianana solika, hampandehanana ny fitaovana mila herinaratra. Tsy afaka mampiaka-bidy ny vokatra anefa satria kely ny fahefa-mividin’ny mpanjifa.
Na izany aza, voatazona ny kalitaon’ny ronono, satria manana fitaovana fanaovana fitiliana ireo mpamatsy ny 3ème Mi-temps. «Tiliana fanindroany indray izany ato aminay», hoy ihany izy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: