Nanatanteraka fanadiovana faobe teny amin’ny “campus universitaire” Andrainjato ny fivondronamben’ny mpianatra mipetraka eny sy ireo mpampianatra ary mpandraharaha ao an-toerana. Oniversite ho lavitry ny korontana sy hanjakan’ny fihavanana no tarigetra.
Nandray ireo solontenan’ny mpivarotra eny
amin’ny Petite Vitesse ny ekipan’ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, ny faran’ny herinandro teo. Napetraka ny lamina amin’ny fametrahana pylône P07 sy ny zoron’ny gara G2 Soarano. Vita ny “box” vaovao vao hiala eo amin’ny toerana fivarotana ireo mpivarotra.
Natao ny alakamisy teo ny atrikasa mahakasika ny haitarika, izay nokarakarain’ny CUA, sampandraharahan’ny tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly, amin’ny alalan’ny tetikasa “ProDecid”. Nofanina ireo mpitantana fikambanana mba hahafahan’izy ireo mitondra fampandrosoana misimisy kokoa amin’ny fomba fitarihana.
Ampiharina any amin’ny faritra Melaky indray ny famatsiana fanafody amin’ny alalan’ny “drone” izay sahanin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Faritra fahatelo anaovana ny tetikasa i Melaky, taorian’Atsinanana sy Analanjirofo.