Efatra indray mipoaka ! Orinasa voalohany sady tokana misehatra amin’ny fanodinana ny fambolena ara-tsakafo nahazo mari-pamantarana iraisam-pirenena ny Star. Nampahafantarina ny zoma
7 jolay teo ny nahazoany ny FSSC 22 000, ny ISO 9001, ny ISO 14 001 ary ny ISO 45 001.
Nanao ny dingana rehetra hanatanterahana ny fenitra ilaina hahazoana ireo mari-pamantarana ireo ny sampana Kalitao, ny Fahadiovana, ny Fiarovana ary ny Tontolo iainana (QHSE) ao amin’ny orinasa Star. Niara-nientana nanatanteraka izany ny mpiasa sy ny tomponandraikitra isan’ambaratongany, hanehoana ny mampiavaka ny vokatry ny orinasa. Manana ny mari-pamantarana FSSC 22 000 daholo ny ozinina mpamokatra ranom-boankazo an’ny Star. Fenitra iraisam-pirenena ankatoavin’ny Global food system initiative (GFSI).
Sahanin’ny sampana Fitantanana ao amin’ny Star kosa ny kalitao ISO 9001. Ho an’ny tontolo iainana ny ISO 14 001.Mahakasika ny Fahasalamana sy ny Fiarovana amin’ny asa ny ISO 45 001.
Nisahana ny masontsivana sy nanao fanadihadiana ny rafitra mpanome ny mari-pankasitrahana iraisam-pirenena, sampandraharaha misahana ny fitantanana sy ny fiarovana. Tombanana isan-taona ny Star hijerena ny fanajany sy ny fanarahany ny fenitra takina.
Nanazava ny tomponandraikitry ny Star, fa manamarina ny fahazoana ireo mari-pamantarana ireo ny fahaiza-manaon’ny Malagasy. Fahaizana nahafahana milahatra sy mifaninana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Njaka A.