SNFAR 2 : omen-danja ny fampiofanana ny tantsaha

Nampahafantarina, omaly, ny Paikadim-pirenena ho an’ny fampiofanana fambolena, ny fiompiana ary ny jono eny ambanivohitra (SNFAR). Fa­natsarana ity andiany faharoa ity, satria tamin’ny taona 2012 ny andiany voalohany. Tan­jona ny hametrahana paikadim-pirenena ho an’ny taona 2023-2035. Miompana amin’ny fampiofanana ny tantsaha sy ny mpamokatra ny SNFAR, hanatsarana ny fomba famokarana sy hitondra fampandrosoana maharitra.
Nilaza ny minisitry ny Fam­bolena sy ny fiompiana (Mi­nae), Ramilison Fidison, fa voakasik’ity paikadim-pirenena ity ny seha-pihariana rehetra, toy ny fambolena, ny fiompiana, ny jono, ny asa tanana, ny tetibola, sns. Toraka izany koa ny eny ifotony, ahitana ny fikambanan’ny tantsaha, mba ho tena matihanina izy ireo. Tanjona ny hanatrarana ny vina napetraky ny filoham-pirenena, ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Nivoaka, omaly, koa ny andiana teknisian’ny Minae sy ny mari-piofanana ho an’ny tantsaha ho mpampiofana any ambanivohitra.
Mamatsy vola ny namolavolana ny SNFAR ny Von­dro­na eoropeanina, ao anatin’ny tetikasa “Rindra”.

Njaka A.

Partager sur: