Anisan’ny manjifa betsaka ny nikela sy kobalta vokarin’Ambatovy ireo firenena lehibe misehatra eo amin’ny famokarana angovo madio. Tato anatin’ny enim-bolana voalohany, nilatsaka ny vidin’ireo akora fototra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Hatramin’ny volana janoary teo, tsy nitsaha-nihena ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Manodidina ny 30 000 dolara ny iray taonina tamin’ny fiandohan’ny taona raha toa ka manodidina ny 22 000 dolara izany ankehitriny. Antony mahatonga ity fihenana ity ny lalànan’ny tolotra sy ny tinady. Mitombo ny vokatra raha toa ka mihena ny mpividy, eo koa ny tahotry ny fihenan’ny harin-karena faobe maneran-tany. “Nahatratra 35 000t ny vokatra nikela naondran’i Madagasikara tamin’ny taona 2022, raha 3 500t ny kobalta. Tanjona ny hampiakatra ny fanondranana nikela hatrany amin’ny 40 000t ary 3 600t ny kobalta amin’ity taona ity”, hoy ny talen’ny serasera Ambatovy, Ramahaleo Vony, omaly nandritra ny varavarana misokatra ataon’ny orinasa, etsy amin’ny gara Soarano.
Angovo
Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny famokarana angovo madio ny nikela sy kobalta vokarin’Ambatovy. Ampiasaina amin’ny fanamboarana bateria ho an’ireo fiara mandeha amin’ny herinaratra izy. Toy izay koa ny amin’ireo takelaka mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy ny rivotra. Nisedra olana ny orinasa nandritra ny krizin’ny Covid-19. Haharitra hatramin’ny sabotsy 15 jolay ho avy izao ity varavarana misokatra ity. Ampahafantarina mandritra ireo fotoana ireo ny andraikitra sahanin’Ambatovy, ny anjara biriky entiny hampandrosoana ny toekarena. Eo koa ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny andraikitra sosialy ataony.
Henintsoa Hani