Hatao any Senegal, ny 23 hatramin’ny 30 jolay ho avy izao, ny fifaninanana robotika, andiany farany. Nahazo laharana faharoa tamin’ny fifaninanana robotika “Panafrican robotics competition” (PARC), andiany faharoa i Madagasikara. Hiatrika izany i Ziona Alberson sy Law Anthony, Malagasy injeniera eny amin’ny politeknika Vontovorona. Hitondra vahaolana maharitra momba ny teknolojia fampiasa amin’ny fambolena izy ireo. Hahafahana mihava voly tsy ilana mpibaiko, ampiasana ny fahaizana artifisialy hanamboarana fitaovana “robot automatique”. “Reharehan’i Madagasikara ny fahombiazan’ny ekipa malagasy. Sehatra iray hampandrosoana ny toekarena sy ny sosialy”, raha ny fanazavan’ny mpikarakara, ny “Stem for Madagascar”.
Anisan’ny tombontsoa ny hahazoana fahalalana mikasika ny robotika sy amin’ny sehatry ny siansa, teknolojia, injeniera ary matematika (STEM). Mampivelatra ny maha olona, ny fahaizana miara-miasa ao anatin’ny tontolo maoderina ary mampiroborobo ny fifanakalozana eo amin’ny mpianatra sy ny matihanina. Niisa 64 ny ekipa nandray anjara, avy amin’ny firenena afrikanina 23.
Mino