Tetikasa Fanavotana: manampy ireo vehivavy marefo ara-pivelomana

Mifantoka amin’ny fanangonana sy fanodinana fako ny fandaharanasa « Fanavo­ta­na » iarahany amin’ny « Agir pour le développement durable et l’emploi vert » (ADDEV). Miisa 32 ireo vehivavy mpikambana misehatra amin’ny fanodinana ny fako. « Tanjona ny hampidi-bola sy hanatsarana ny fari-piainany. Eo koa ny fiarovana ny tontolo iainana », hoy Andolalaina, mpanentana ara-tsosialin’ny tetikasa. Maka fako azo avy amin’ny taratasy, gazety, baoritra, tavoahangy, ary plastika voafantina eny amin’ireo orinasa mpiara-miasa ireo vehivavy mpikambana. Aorian’izay, manodina izany ho lasa vokatra azo amidy. Mbola izy ireo koa no misitraka iray manontolo ny vola azony avy amin’izany. Ma­hazo manodidina ny 30 000Ar ka hatramin’ny 300 000Ar isan’olona ireo vehivavy mpikambana. Ma­havelona azy sy ny ankohonany ity asa ity. Misy mihitsy ireo mivelona maharitra amin’ity fanodinana fako ity, hoy hatrany ny fanazavana.
Miara-miasa

Avy amina fokontany 10 eto an-drenivohitra ny mpikambana ao amin’ny “tetikasa fanavotana”. 18 ka hatramin’ny 50 taona izy rehetra, ao ireo manana anton’asa manokana sy manao izany ho vadin’asa. Misy koa ireo mivelona amin’izany mihitsy. Omena fiofanana mandritra ny 10 volana ireo mpikambana hamantarany ny tontolon’ny famokarana sy ny fikajiana ny tontolo iainana. Ankoatra izay, mahazo fiantohana ara-pahasalamana koa ireo mpikambana. Asa maharitra amin’ny fidiram-bolany ny fanodinana fako.

Henintsoa H.

Partager sur: