Hampiroborobo ny famokarana sy ny fanodinam-bokatra ary hampiakatra ny toekaren’ny mponina ny taninketsa indostrialy napetraka ao Fenoarivo Atsinanana sy Soanirenana Ivongo.
Nisitraka ozinina ary nahazo milina hoentina mampiroborobo ny vokatra any an-toerana i Fenoarivo Atsinanana sy Soanierana Ivongo. Milina fanamainana voankazo ahafahana mitahiry azy tsy ho simba no natolotra ny distrikan’i Fenoarivo atsinanana. 3000t isan-taona ny voankazo vokatra ao an-toerana ankoatra ny letisia. Mahavita manamaina akondro 1t ao anatin’ny iray andro sy tapany ilay milina. Mahazaka voankazo hatramin’ny 300kg isaky ny mampiditra koa izy. Ho an’ny letisia manokana, 16 ora ny fanamainana azy, 12 ora kosa ho an’ny akondro raha adin’ny efatra ny ampalibe. “Betsaka be ny letisia tsy lafo amidy. Hivadika vola izy ireny amin’izao fahatongavan’ ny milina izao. Toy izany koa ireo voankazo simba sy lo fotsiny any an-tsaha any”, hoy i Fresson Modeste, filohan’ny kaoperativa Taratra any Analanjirofo.
Filana ara-tsakafo
Nahazo milina fanamboarana chips i Soanierana Ivongo. Mahatelina akondro 1t isan’ andro ity milina ity. Hampitombo ny vola miditra amin’ny tantsaha izy sady hamaly ny filàna ara-tsakafon’ny mpanjifa koa. Nanentana ny mponina hamboly akondro ny governoran’ny faritra Analanjirofo, Randriamanantena Marcelin. Halefa ny antso ho an’ny tetikasa hifantenana ny mpandraharaha hitantana ireto orinasa ireto. Aorian’io, handinika ny antontan-taratasy voaray ny komity. Ary hanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa amin’ireo kaoperativan’ny tantsaha mpamokatra ilay mpandraharaha voafantina hitantana ny ozinina.
Henintsoa Hani