Tsy an-jaza velively!

 

Nivoaka iny ny datim-pifidianana. Ho raikitra ny lalao na mbola misy aza ny fepetra hafa takin’ny mpamatsy vola. Andrasana ihany koa ny fanambarana ataon’ny filohan’ny Repoblika, amin’ny alahady ho avy izao. Betsaka ny maminavina izay ho vontoatin-dresaka. Tsy misy mipika anefa izany fa ny azo antoka, lahateny ho an’ny vahoaka malagasy tsivakivolo izany.
Teboka izay andrasan’ny sarambabem-bahoaka ny toerana misy ny filoha Rajoelina Andry. Hilatsaka ho fidiana ka hametra-pialana ny volana septambra sa hiala an-daharana tsy hifaninana ka ho mpikarakara fifidianana? Raha misafidy ity farany izy, mazava ho azy ny tsy maintsy handaniana izay olona ho tohanany hanohy ny asa natombony.
Na inona na inona hiseho, efa mazava ny fitsipi-dalao. Tsy misy toerana ho an’olon-tsotra tsy manam-bola, na antoko marefo izay fifidianana ho avy eo. 200 tapitrisa Ariary no antoka ho an’izay hilatsaka ho fidiana filoham-pirenena. Tsy an-jaza ara-bakiteny. Masontsivana goavam-be mety hampitsoaka an-daharana izay tsy matoky tena sy izay tia tsapatsapa.
Tsy misy an-kamerim-bola raha vao tsy mahatratra ny 10 % toy ny mahazatra ny voka-pifidianana mivoaka. Misy fanazavana teknika avy amin’ny governemanta ny momba io volabe io saingy ho henjakenjana ihany koa ny takalony. Hangotraka ny fanaraha-maso ny fandatsa­ham-bato sy ny fanisana. Tsy misy hanaiky lembenana fa hitady hirika ny hamerenana ny volany avokoa izay mahafeno ny fepetra. Mampanahy !

r.r

Partager sur: