Itasy sy Bongolava : fanadihadiana mialohan’ ny hizarana fahazoan-dalana hitrandraka

Nidina ifotony tany amin’ny faritra Itasy sy Bongolava, ny volana jona teo, ny Vaomiera misahana ny fanavaozana ny fahazoan-dalana hikaroka sy hitrandraka (PRE) harena an-kibon’ny tany. Nanatanteraka izany ny solontena avy amin’ ny sampandraharaha voaka­sika ao amin’ny minisitera foibe sy ny fitantanana iraisam-paritra Antananarivo (DIRA). Fepetra tsy maintsy raisina mialoha ny fanavao­zana ny fahazoan-dalana, izao natao izao. Notsidihina ny toerana hiasan’ny mpitrandraka madinika (zone d’encadrement).
Nihaona tamin’ny lehiben’ ny distrika, ny ben’ny Tanàna, ny sefo fokontany koa ny delegasiona, manomboka any amin’ny fokontany Mahatsinjo, kaominina Analavory, ny fokontany Antaniditra, kaominina Ambatolampy, distrika Tsiroanomandidy, ny kaomi­nina Fihaonana, distrika Tsiro­nomandidy.

Nandritra ity fidinana ifotony ity, miray feo ireo mpitrandraka madinika ny hanafainganana ny fahazoana ny fanavaozana ny fahazoan-dalana PRE sy ny hamadihana ireo fari-pitrandrahana (Zone d’encadrement) ho lasa PRE. Mifanojo amin’ny politikam-panjakana ny hampidirana azy ireo hiditra ao anatin’ny sehatry ny ara-dalàna rahateo izany.

Njaka A.

Partager sur: