Milamindamina ny raharaha politika eto am-piandrasana ny lahatenin’ny Filoham-pirenena rahampitso alina. Misy lamina manokana mihitsy ny fikarakarana ity fanambarana ho an’ny vahoaka malagasy ity. Mifanindran-dalana amin’izany, sady miasa no miala sasatra any amin’ny Nosy Sainte Marie ny tompom-pahefana, ankehitriny. Iaraha-mahalala fa nihazakazaka be tampoka teo ny resaka fifidianana. Tsy maintsy irotorotoana ihany koa ny fitokanana isan-karazany. Fampielezan-kevitra vita ho azy !
Etsy ankilan’izany, niparitaka nanomboka omaly, ny tahirin-kevitra avy amin’ny vovonana politika milaza ho fiombonan’ny tsy tia korontana. Mitonona ho mpisoroka izay mety ho endrika tsy fitovian-kevitra mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Hevi-dehibe mivoaka avy amin’izy ireo ny fananganana governemanta iray, eken’ ny besinimaro. Drafitra, toa mifanindran-dalana amin’ny fitakian’ny mpiara-miombon’antoka vahiny. Ireto farany izay mbola manana ny teny farany, ho takalon’ny volany na milalao ny fomba fiteny diplomatika aza. Mampibaribary izy ireo fa mbola ambany vahohony ilay Madagasikara.
Raha mamaky ilay tahirin-kevitra dia sanganehana. Hita taratra fa ilay vahoaka madinika hatrany no an-jorom-bala. Tratran’ny tian-kano, tsy tian-kano. Vahaolana azo tsapain-tanana avy hatrany anefa no ilain’ny sarambabem-bahoaka. Ilay mitondra vokatsoa ho an’ny andavanandrom-piainany dia ny fifidianana izany. Tsy miandry fahagagana akory ny Malagasy, fa mitaky drafi-piarahamonina, mitondra fampandrosoana. Iza anefa no sahy hanao fanamby ? Niaraha-nahita ireny ny velirano sy ny fisandratana ary ny Map saingy mbola mahantra fadiranovana Ramalagasy. Tsy fotoanan’ny fampiesonana intsony izao !
r.r