Tena tsy misy distrika adino amin’izao amin’ny hoe fampandrosoana? Eo ny vahoaka ifotony mitsara izay isiany sy iainany isan’andro. Efa misy ny fiovana, fivoarana, fihatsarana… Tsy tambo isaina, ohatra, ny fotodrafitrasa vita, na an-dalam-pamitana, na ny mbola hovitaina. Sekoly manara-penitra, hopitaly manara-penitra, tsena manara-penitra… Na izany aza, mbola ao anatin’ny fahantrana ny vahoaka. Iza no handa izany? Antananarivo, tsy vita indray andro. Vao mainka i Madagasikara…
Izay no mahabe resaka sy adihevitra ny sasany amin’izao. Tsy inona fa ny sosialiam-bahoaka. Mby aiza? Tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, fahasahiranana amin’ny fitsaboan-tena, ady tany… Tsy efa natao laharam-pahamehana ve ny sosialim-bahoaka amin’ity taona ity? Tsy lavina, misy ny ezaka. Eny, na tsy mahavita taona aza, tsy mahenika ny rehetra, tsy mahafa-po rahoviana… Aleo misy kely toy izay tsy misy mihitsy. Velona ny fampiadiana tarehimarika na antontanisa amin’izany.
Inona ny marina? Mby amin’ny filazan’ilay pretra katolika nitolona teo amin’ny tontolo sosialy, i Henri Grouès na ny abbé Pierre, ny raharaha? “Tsy mahalala fahantrana afa-tsy amin’ny antontanisa ny mpanao politika. Tsy mitomany manoloana ny isa isika”, hoy izy izay. Ny isam-batan’olona sy ny isan-tokantrano ihany no tena mahalala izay marina isiany sy iainany? Mbola ao anatin’ny fahantrana sy fahasahiranana lalina ny maro. Vitan’ny resaka? Na fampiadiana antontanisa, tarehimarika…
Izay no mahatonga ny hoe sosialy mba aoka amin’izay hojerena akaiky, imasoana, tena laharam-pahamehana… Tena vaindohan-draharaha? Mba tsy hivadika na havadika ho politika ho azy amin’izao ankatoky ny fifidianana izao.
R. Nd.