Maro ny toeram-pitrandrahana any amin’ny kaominina, ao anatin’ny faritra 23 notsidihin’ny minisitera foibe sy ny fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika. Fidinana ifotony tsy maintsy natao, mialoha ny hanavaozana ny fahazoan-dalana ho an’ny mpitrandraka madinika (PRE).
Nohazavain’ny mpamita iraka ny tena anton-dian’izy ireo. Eo koa ny tombana hataon’izy ireo rehefa tonga eny amin’ny fari-pitrandrahana sy ny aorian’izany. Antony lehiben’ny fitsidihana ny fihaonana mivantana amin’ireo mpitrandraka, sady mba hifanakalozam-baovao.
Anisan’ny efa notetezina ny fari-pitrandrahana any amin’ny kaominina ao anatin’ny faritra Analamanga, Itasy, Bongolava, Melaky, Androy, Atsimo Andrefana, Sava, Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Vakinankaratra, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Anosy.
Raha ny farany indrindra ny tany Diana sy Sava, nitsidihana ny fari-pitrandrahana any Betsiaka (Ambilobe Diana), Maromokotra (Vohemar Sava), Bealampona (Andapa Sava).
Mbola hitohy izao fidinana ifotony izao.
Njaka A.