Natolotra ny fampanoavana, afakomaly, ireo jiolahy telo voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny halatra vy amin’ny andrin-jiron’ny orinasa Jirama. Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora izy telo lahy taorian’izay. Ny 15 jolay 2023 izy ireo no voasavan’ny zandary teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, tao anaty fiara fitateram-bahoaka mampitohy an’Ambanitsena sy Mahazo. Nahazo antso ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambohimalaza momba ny fisian’ireto telo lahy mampiahiahy ao anaty fiara ireto. Nosakanana ity taksibrosy ity ka hita nandritra ny fisavana ny fiara ny vy amin’ny andrin-jiro mitondra herinaratra mavesatra valo mirefy 6 metatra, 4 metatra ary 1 metatra nentin’izy ireo. Tratra koa ny fitaovana famahana ireo bilao amin’ny andrin-jiro. Nidina teny Antanetilava – Ambatobehasina nisian’ny halatra ny zandary niaraka tamin’ny Jirama nanao ny fizahana. Voamarina tokoa ny fisian’ny halatra. Mbola hita nilatsadatsaka teo amin’ny toerana nisian’ny halatra ny bilao rehetra mitazona ireo vy nangalan’ny olon-dratsy ireo. Tsy mbola fantatra kosa ny toerana hamarotan’ireo jiolahy ny vy.
J.C