Jiolahy 15 lahy nirongo fitaovam-piadiana naka takalonaina roa. Rovitry ny bala ny sofin’ny raim-pianakaviana iray.
Raikitra ny sakoroka tao Bakaro, fokontany Mahatsara, kaominina Soalazaina, distrikan’Ambatondrazaka, afakomaly alina. Lasan’ny jiolahy an-keriny ny lehilahy iray sy ny anabaviny tamin’ny 9 ora sy 43 minitra alina. Nirongo basy, niditra an-keriny tao amina tokantrano iray ireo jiolahy. Nanapoaka basy, nentina nampitahorana ireo fianakaviana notafihany izy ireo. Nanohitra ny raim-pianakaviana iray. Notifirin’ny jiolahy ka voa, rovitry ny bala teo amin’ny foto-tsofiny. Ankoatra io, nokorontanin’ireo tsy mataho-tody ny trano. Naratra vokatry ny tifitra nahazo azy teo amin’ny feny havanana ny zazalahy 10 taona izay zanak’io raim-pianakaviana lasibatra io. Nentin’ny jiolahy nandositra ny lehilahy 26 taona sy ny zandriny
vavy 16 taona. Noho ny tahotra, tsy nisy sahy nivoaka ny fokonolona nandritra ny poa-basy.
Manara-dia
Nentin’ny jiolahy am-polony nitsoaka nihazo ny lalana Andranomisa, distrika Anjozorobe sy Manakana, distrikan’i Tsaratanana ireo takalonaina, araka ny tatitry ny zandary ao an-toerana. Niara-nientana nanara-dia hanavotra azy mianadahy ny fokonolona. Manampy izany ny zandarimaria avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Soalazaina. Nentina notsaboina ireo roa lahy mpianaka voan’ny bala. Marihina, vao ny 13 jolay teo no nahitana renim-pianakaviana iray nilaza ho nisy naka an-keriny tao Ambatondrazaka. Ahiana ho mpiray tsikombakomba ihany, araka izany, ny jiolahy nahavanona ireo asa ratsy ireo. Mandray an-tanana ny raharaha ny zandarimariam- pirenena ao an-toerana.
Tsiferana R.