Saika matin’ny fitsaram-bahoaka… : nokaramaina 30 000Ar ireo jiolahy hanaparitaka vola sandoka

Tsy milamina intsony ny tanàna! Miparitaka izaitsizy indray ny vola sandoka amin’izao fotoana izao. Any amin’ireo lanonana sy tsena any ambanivohitra no tena hanaparitahan’ireo olon-dra­tsy ireny vola sandoka ireny. Voa­sambotry ny fokonolona tao Ambatomena fokontany sy kaominina ao ihany ny vehivavy iray sy ny anada­hiny, niaraka tamin’ny vola sandoka, afakomaly. Mody mividy zavatra izy ireo re­he­fa manao ny asa ratsiny. Vola sandoka 120 000Ar no tratra teny amin’izy ireo. Fan­tatra nandritra ny famo­toran’ny zandary fa karamaina 30 000Ar izy ireo raha voatakalo avokoa ireo vola ireo. Ny zandary ao Tsa­rahonenana Sahanivotry kosa no manao fanadihadiana rehetra momba ny nahazoan’ireto olon-dratsy ireto ny vola.
Fa saika matin’ny fitsaram-bahoaka koa ny tovolahy iray nanaparitaka vola sandoka mitentina 80 tapitrisa Ar tao Andriambilany, afakomaly maraina. Tratra nampiasa vola sandoka ity tovolahy ity ka niteraka hatezerana tamin’ireo olona tao an-tanàna. Efa nisavoritahan’ny olona izy ka saika maty mihitsy raha tsy tonga haingana ny zandary. Karohin’ny zandary ireo atidoha nikotrika ny fanapariahana izao vola sandoka izao.

Jean Claude

Partager sur: