TSELATRA

Zaza kambana hita faty, nisy nanary, tetsy Andohatapenaka II, omaly maraina. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra ny vatana mangatsiakan’ireo zaza ireo. Kambana mbola tany am-bohoka izy roa ireto saingy tsy fantatra ny nahavanon-doza. Miroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana.

Tratran’ny polisy ny mpangarom-paosy iray tetsy Behoririka, afakomaly. Hitan’ny “caméra”, manaraka ireo mpandalo mitondra kitapo io tontakely io. Savainy hatramin’ny paosin’ny mpandalo. Navoakan’ny olon-tsotra tamin’ny tambajotran-tserasera ny fihetsik’io lehilahy io.Nidina ifotony ny polisy ka sarona izy. Roa lahy hafa namany mbola karohina.

Mpanarato hita faty tanaty rano tao Ambato­sarotra, kaominin’i Fenoambany, distrikan’i Vangain­dra­no, afakomaly. Niara-nisotrosotro tamin’ny namany, nilaza hikarakara zavatra ity mpaka trondro ity. Niakatra namonjy ny tanàna ireo efa-dahy. Nijanona irery teny amoron-drano io lehilahy io kanjo faty sisa hitan’ny fokonolona. Tsy nisy akanjo intsony teny an-kodiny. Nivoaka rà ny mahalehilahiny.

Mpangalatra jirom-piangonana tao  Toamasi­na no voasambotry ny polisy, ny alahady teo. Tamin’ny 4 ora maraina. Tratra teo am-pihanihana ny haka io jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro io izy tamin’io fotoana io. Jiro iray hafa koa nokasainy hangalarina tao Tanambao Verrerie, araka ny loharanom-baovao.

Partager sur: