Fandaharanasa CLIM-INVEST: tohanan’ny Vondrona eoropeanina ny sehatra tsy miankina

Hisitraka tohana amin’ny alalan’ny fandaharanasa CLIM-INVEST ny sehatra tsy miankina. Voafaritra nandritra ny fivoriana niarahany ny rafitra iombonana ho an’ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana.

Nivory ny herinandro lasa teo ny vondron’ny se­hatra tsy miankina. Voa­solo tena tao avokoa ireo sampandraharaha samihafa. Tanjona ny hanamafisana ny filana sy ny fanohanana ny sehatra tsy miankina amin’ny alalan’ny fandaharanasa CLIM-INVEST avy amin’ny Vondrona eoropeanina. Ken­drena ny hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola 7 tapitrisa euros, hatramin’ny taona 2025. Nanatrika ity fivoriana ity ny “Groupement des entreprises de Madagascar (GEM)”, ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM). Tao ihany koa ny fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (FIVMPAMA), ny « fédération des chambres de commerce et d’industrie de Mada­gascar » (FCCIM). Ny « groupement des entreprises franches et partenaires(GEFP) », ny « chambre d’agriculture », ny « chambre des mines de Madagascar (CMM) », ny « Entreprendre au féminin, Océan Indien (EFOI) niatrika izany avokoa.
Rafitra
Nandritra ny fivoriana, nisy ny fametrahana sy fandrindrana ny Vovonan’ny sehatra tsy miankina malagasy. Toy ny famaritana ny vina iraisana ho fampandrosoana ny sehatra tsy miankina amin’ny alalan’ny boky fotsy (livre blanc). Voa­resaka tamin’izay koa ny tohana avy amin’ny sehatra tsy miankina ho famolavolana ny lalàna mifehy ny tetibola (PLFI) 2024. Ary fanatsarana ny fisitrahana famatsiam-bola. Tsia­hivina fa nisitraka tohana sy fanampiana ara-teknika avy amin’ny fandaharanasa CLIM-INVEST, hatramin’ny volana marsa 2022, ny « Economic development board of Ma­dagascar (EDBM) » ao anatin’ny fanamafisana ny rafitra sy ny lamina momban’ny fifanakalozan-kevitry ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana (DPP).

Henintsoa Hani

Partager sur: