Mahabe resaka tato ho ato ny sosialim-bahoaka. Hadinodino? Eny, na efa nambara aza fa ho laharam-pahamehan’ny fitondrana amin’ity taona ity. Mby aiza? Voalohany sy lehibe ary maika amin’izany ny fampanjakana ny fandriampahalemana. Anisan’ny antony sy vokatry ny lafin-javatra hafa rehetra? Fiteny mandrakariva ny hoe tsy misy fampandrosoana, raha tsy misy fandriampahalemana. Ny filaminana sy fitoniana no miantoka ny famokarana, ohatra, na ny lafiny toekarena sy sosialy ankapobeny; eny, na ny politika aza.
Tsy misy koa izay fandriampahalemana raha tsy eo ny fampandrosoana. Mangotika sy mikorontana hatrany, ohatra, ny kibo noana, miketriketrika fa tsy milamina ho azy ny tsy an’asa… Mety hanaotao foana? Na izany aza, tsy manamarina ny fahazoana mandika lalàna ny fahantrana. Na hoe mety tsy hisy ny fandikan-dalàna ny fananan-karena… Mila miara-dalana re ny fandriampahalemana sy ny fampandrosoana e! Mifameno fa tsy mifamono. Mahatsapa sy miaina na misitraka inona amin’izany ny vahoaka amin’izao?
Matoa misy hatrany ny mikaikaika, mandeha ila ny fandriampahalemana sy fampandrosoana. Tsy misy fandriampahalemana fa tsy eo ny fampandrosoana? Na tsy misy fampandrosoana fa tsy eo ny fandriampahalemana. Hanao ahoana amin’izao fifidianana izao? Eo ny vahoaka hitsara… Tsy mampilamina ny fahasahiranana, manahirana ny tsy filaminana. Izany no ndeha hampiana trotraka amin’ny ady na korontana politika indray? Loza iray, loza roa… Manamora sy manafaingana ny korontana politika ny fahantrana? Eny, na eo aza ny hoe tsy afa-miteny sy mihetsika firy ny noana. Na tena mety hahavita zava-tsy ampoizina? Manamora sy manafaingana ny fahantrana koa ny korontana politika. Ady fiady… saro-pady? Ilam-pitandremana. Mora na maro ny mamadika azy ho zavatra hafa?
R. Nd.