Efa mandeha ny fandrakofana godirao ny ampahan-dalana RN 2, Antananarivo-Toamasina. Voakasik’izany ny eo Manjakandriana hatrany Moramanga (PK 48 –PK 78). Manodidina ny 2 900 ny mampiasa ny RN 2 isan’andro, ka kamiao ny 1 500 raha fiara madinika sy mpitatitra ny 1 400. Manara-maso ny minisiteran’ny Asa vaventy.
Masomboly voamarina 2 t, zezika azo antoka 19,8 t ary karatry ny mpamokatra 165 no nozaraina ho an’ireo tantsaha ao amin’ny kaominina Ambahikily sy Tanandava, distrika Morombe. Natao izany nandritra ny lanonam-panokafana ny filazana ny hanam-pamokarana ho an’ny tantsaha mpisitraka, ho an’ny faritra Atsimo Andrefana.
Miisa 120 ny tanàna any ambanivohitra, any amin’ny faritra, hametrahana jiro avy amin’ny masoandro. Mitentina 11,2 tapitrisa euros ny fampindramam-bola avy amin’ny Banky eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI), hanatanterahana azy, ao anatin’ny tetikasa We Light.
Mandeha ny fametrahana ny toerana fakana aina (ASSR) eny amin’ny lalam-pirenena. Natao hialan’ny mpamily sasatra, ahitana fisakafoana, fivarotan-tsolika, zandary, fiantsonan’ny kamiao, sns. Ahitana AASR ny any Miandrivazo (RN 34), Ambalamanakana (RN 7), RN 4. Eo am-pamaranana ny any Belo Tsiribihina.