Mahabe adihevitra ny nampiakarana ny anto-bola firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika ho 200 tapitrisa Ar. Tokony mbola hampiakarina aza izay, raha ny fijerin’ny mpandinika fiarahamonina, Rabary Paul. Fanehoan-kevitra…
“Amiko, mbola tokony hampiakarina noho izao aza io 200 tapitrisa Ar io. Mba tsy hisy intsony eto Madagasikara ny kandidà tsy mieritreritra ny ho voafidy, tsy hiresaka na hitondra zavatra eo anatrehan’ny vahoaka… ” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Ny Fireneko ary efa kandidà ho filohan’ny Repoblika, taona 2018, Rabary Paul, ny amin’ny anto-bola firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika.
Tsara ny fiakaran’ny anto-bola. Ny antony, tokony hialana ny firotsahan-kofidina marobe: tsy manao fampielezan-kevitra, tsy mijery olona eny ifotony, tsy manao na inona na inona… Fa maka toeran’ny kandidà fotsiny. Misy manaparitaka vato fotsiny. Satria misy olona tsy vonona hiady hevitra na hanao politika, fa mirotsa-kofidina. Toy ny tamin’ny farany teo: efa kely ny fotoana, mbola nisy kandidà nahita fotoana nivoriana sy nilazana hoe aleo hahemotra ny fifidianana. Rehefa mirotsa-kofidina, miatrika fifidianana.
Adihevitra diso ny momba ny fizakana zom-pirenena
“Adihevitra diso ny momba ny fizakana zom-pirenena. Adihevitry ny mpialona tsy manana zom-pirenena frantsay io. Tsy manana aho”, hoy kosa izy momba ny fizakan’ny filohan’ny Repoblika zom-pirenena hafa. Efa voatsaran’ny HCC Ny lafiny araka ny lalàna. Ny lafiny politika, tsy olana ny fananana zom-pirenena roa na telo: tsy natao ho sakana.
Be dia be ny Malagasy manana zom-pirenena vahiny. Satria manana an’izay ve izy dia hofoanana ny fananany zom-pirenena malagasy? “Ovay ny lalàna raha diso”, hoy izy. Tombony ny fananana zom-pirenena hafa, na filaharana fakana “visa” fotsiny aza, ny fahazoana mandeha…
Lalàna no mamaritra na tokony ho vazaha na malagasy ny filohan’ny Repoblika. Matoa neken’ny HCC, ara-dalàna izany. Dimy taona aty aoriana vao atranga, adihevitra diso tanteraka. Tsy ny fananana zom-pirenena vahiny na tsia no hampandroso an’i Madagasikara na tsia. Hofoanana na tsy Malagasy avokoa izany ireo Malagasy manana zom-pirenena hafa? Aza atao olana ny fananana zom-pirenena hafa. Tombony ho an’ny Malagasy ny fananana zom-pirenena hafa.
R. Nd.




