Fitsirihana lisi-pifidianana: manao fanitsiana avy hatrany ny Ceni

Nahitsy sy nohatsaraina avy hatrany izay azo natao avy amin’ny toromarika ta­min’ny fitsirihana, araka ny filoha lefitry ny Ceni, Andria­malazaray Andoniaina, ta­min’ny fitsirihan’ny OIF ny tontolon’ny fikarakarana fifidianana teny amin’ny Ceni, Alaro­bia, afakomaly. Ny se­hatry ny lalàna sy ny haitao ara-kajy mirindra ary ny fifandraisan’ny isan’ny mponina amin’ny isan’ny mpifidy no notsirihina. “Avy amin’izay no hahazoana milaza na tsy mamokatra sy tsy mahay ny Ceni, na mety ihany ny asa natao dia hananan’ny olona fitokisana. Fanambin’ny Ceni ny mba ho mendrika ny fiarahamonina sy ho mendrika an’i Madaga­sikara”, hoy izy.
Fampahatsiahivana ny dingana voalohany no nataon’ny OIF. Nojerena àry izay vita sy tsy vita raha misy tamin’izany. Vita avokoa izany, raha ny fijerin’ny Ceni. Misy ny mila fotoana. Ao ny tsy an’ny Ceni fa ho an’ny governemanta sy ny par­lemanta. Nanatrika izany ny avy amin’ny antoko poli­tika sy ny firaisamonina sivily. Raha tsy misy ny fiovana, hivoaka anio ny rejisitra nasionalin’ny lisi-pifidianana.

R. Nd.

Partager sur: