Tontosa omaly, teny amin’ ny Organisation internationale de la francophonie (OIF) Antaninarenina, ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny OIF, momba ny fanomezana sora-piankohonana, ho an’ny ankizy. Any amin’ny faritra Itasy no hanombohana ny tetikasa, ary antenaina ny hiitaran’izany amin’ny faritra hafa.
Ankizy 4 000 isa no hisitraka kopia, mandritra ny hetsika ataon’ny minisiteran’ny Fitsarana, ao anatin’ny tetikasa tohanan’ny OIF. Kaominina 10, ao anatin’ny distrikan’i Soavinandriana sy Miarinarivo ary Arivonimamo, ao anatin’ny faritra Itasy, no hanatanterahana ity tetikasa ity voalohany. Mankasitraka izao finiavan’ny minisitera izao ny solontena maharitry ny OIF, misahana ny ranomasimbe Indianina, Leonard Emile Ognimba, ary nanambara ny fanohanana hatrany amin’ny fanatanterahana ny tetikasa.
Nandritra izany ihany koa no nilazan’ny minisitry ny Fitsarana ny momba ny raharaham-pitsarana nahavoakasika ny tale mpisolo toeran’ny Cnaps. “Mitsara amin’ny alalan’ny antontan-taratasin’ady misy eo am-pelatanany ny fitsarana fa tsy voatery ho hisy tsindry hatrany vao mahazo fahafahana vonjimaika ny olona iray”, hoy Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, minisitry ny Fitsarana.
Lin M.




