Ampitifirana Ankatso: notsaroana ny nitifirana ireo maherifo

Notontosaina teny Ampitifi­rana Ankatso, omaly, ny lanonam-pahatsiarovana ny nitifirana ireo maherifon’ny firenena tao amin’io toerana io. Ny 19 jolay 1948 no nitifirina ireo ma­herifon’ny firenena nitaky ny fa­hafahana sy ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Ireto avy ireo maherifon’ny firenena na­moy ny ainy ho an’ny Tanindra­zana teo amin’ity toerana ity : ny Lietnà Randriamaromanana Albert, Rakotondrabe Samuël, Ratsiza­fy Samuël, Bekamisy ary Lezo­ma. Nitarika ity lanonam-paha­tsiarovana ity ny mi­nisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rako­toa­rijaona Josoa, notronin’ny minisitry ny Filami­nam-bahoaka, ny contrôleur général de police, Randria­narison Fa­nomezantsoa ary ny Seg, ny Jly Gellé Serge, niaraka tamin’ny COMGN, ny lehiben’ireo etamazaoron’ny Tafi­ka. Nisy ny fametrahana fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangambato nataon’ireo andiany mitondra ny anaran’ny Lietnà Randriamaroma­nana avy ao amin’ny Semipi sy ny avy amin’ny CEDS. Nofara­na­na tamin’ny fitsidihana ny tranoheva fampirantiana ny tantaran’ireo maherifo izany.

Jean Claude

Partager sur: