Nanainga omaly alarobia 19 jolay, hihazo an’i Chine, ireo solontena malagasy, hiatrika ny lalao “Fiba 3×3 Wuxi Challenger”, taranja basikety. Fifaninanana hotontosaina ny 22 sy 23 jolay ho avy izao. Tohin’ny fiaraha-miasan’ny federasiona malagasy sy ny Fiba, taorian’ny “World Cup” farany teo izao.
Niverina nilalao any Frantsa i Benjamin Mendy, vodilaharana frantsay, taorian’izay fotoana nampigadra azy izay. Araka ny vaovao, hita omaly, tao anaty tambajotran-tserasera fa ao amin’ny klioba FC Lorient izy no hilalao, mandritra ny roa taona. Tsiahivina fa tao amin’ny Manchester City ity vodilaharana ity teo aloha.
Nomontsanin’ny Bayern München tamin’ny isa 27 no ho 0 ny klioban’ny FC Rottach-Egern, nandritra ny lalao ara-pirahalahiana, natao ny talata lasa teo. Marihina fa ao anatin’ny fanomanana ny taom-pilalaovana 2023-2024 tanteraka ny Bayern amin’izao fotoana izao. Tanjon’izy ireo ny haka ny amboara rehetra.
Hanomboka afaka 9 andro ny lalaon’ny frankofonia, hatao ny 28 jolay ho avy izao, any Kinshasa RD Congo. Hatramin’izao, tsy mbola nisy ny feo mahakasika izany teo anivon’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora. Marihina fa teo amin’ny roa volana teo ny nanomanana ity lalao ity.