Mivoatra hatrany ny fanadihadiana rehetra taorian’ny baiko hentitra nomen’ny filohan’ny Repoblika amin’ny hanenjehana ireo tompon’antoka tamin’ny fivoahan’ny laza adina Bakalorea mialoha ny fotoana. Olona 10 mahery indray voasambotra…
Fantatra izao fa olona efa 10 mahery no indray voasambotra, voasaringotra ho anisan’ny tompon’antoka tamin’ity raharaha fivoahan’ny laza adina Bakalorea mialoha ny fotoana ity. Efa nanamafy izany rahateo koa ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Gellé Serge tao amin’ny fahitalavi-panjakana (TVM) fa misy ny olona efa voasambotra tompon’antoka tamin’ny fanaparitahana ny laza adina Bakalorea. Atao famotorana mahakasika ny fandikan-dalàna nataony izy ireo. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka, araka izany, ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena momba ny atidoha sy ny olona nanaparitaka izany teny amin’ny tambajotran-tserasera “facebook”. Voalazan’ny loharanom-baovao marim-pototra fa mbola fanadihadiana tsotra no atao amin’ireto olona ireto fa tsy mbola misy filazana ny mahameloka azy ireo. Ny fitsarana ihany no afaka manome sazy mifandraika amin’ny fandikan-dalàna fa ny an’ny mpitandro filaminana mijanona amin’ny fanadihadiana. Marihina fa iarahan’ny polisy sy ny zandary ny fanadihadiana ity raharaha ity, araka ny efa nolazain’ny filohan’ny Repoblika.
Tsiahivina fa 111 ny isan’ireo olona nikirakira ny nahita maso voalohany ny laza adina Bakalorea. Natomboka ny 21 jona ny famolavolana ny laza adina ho an’ny fanadinam-panjakana Bakalorea. Mpampianatra 66, mpandraharaha 34 ary zandary 11 no niara-nisalahy tamin’ny famolavolana izany. Mitoka-monina tanteraka amina toerana mihidy sady tsy misy mahafantatra ireo mpikirakira izany. Nahavariana ny rehetra ny nahatafavoahan’izany mialoha. Andrasana, araka izany, ny valin’ny fanadihadiana izay mamaritra ny marina rehetra momba izao raharaha izao.
J.C