Hotanterahina manomboka anio, hatramin’ny sabotsy 25 jolay, any Casablanca Maroc, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy “cadet” sy “junior”, eo amin’ny taranja judo. Manana solontena 7 mianadahy i Madagasikara ka 3 «cadets» ary 4 «juniors».
Nahita fahombiazana ny Ankoay, sokajy vehivavy, latsaky ny U23, raha nihaona tamin’i Alzeria, nandritra ny fifanintsanana Nations Leagues. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa 19 no ho 9, ny vehivavy alzerianina. Ity fifanintsanana ity izay tafiditra anaty fiadiana ny toerana hahazoana ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny amboara maneran-tany.
Mandeha ny resaka any Espagne sy ao amin’ ny klioban’ny Real Madrid, fa haka an’i Rodri, espaniola mpilalao afovoan’ny Manchester City, ry zareo. Tsiahivina fa i Rodri no voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra tamin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026” farany teo.
Voahosotra ho tompondakan’ny ligin’i Vakinankaratra indray, ny Disciples FC, sokajy vehivavy. Izy ireo izany no solontenan’ity ligy ity amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy vehivavy, izay tokony hanomboka ny volana aogosotra ho avy izao raha tsy misy ny fiovana. Hatramin’ny nanoratanay, omaly, tsy mbola nivoaka ny fanambarana ofisialy mahakasika izany fifanintsanana nasionaly izany.




