Hotanterahina ny sabotsy 12 sy ny alahady 13 aogositra ho avy izao ny « L’Odyssée des Nations », taranja tsipy kanetibe.
Fifaninanana hatao ao amin’ny Kianja Arena, Montpellier. Anisan’ireo hiatrika izany ny ekipan’ny UBMT, ahitana an’i Onja sy i Donald ary i Tinakely. Marihina fa fifaninanana goavana izy ity satria handraisan’ireo andrarezina rehetra ao France anjara. Anisan’izany i Dylan Rocher sy ry Robineau. Eo koa ilay italianina, i Diego Rizzi tompondaka maneran-tany ho an’olon-tokana. Mifaninana amin’ity koa ny ekipan’ny Decines, misy ireo Malagasy roa lahy, i Zigle sy i Yves. Ho toy ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany kely mihitsy, araka izany, ity “L’Odyssée des Nations” ity.
Tsiahivina fa efa betsaka ireo fifaninanana natrehin’ireto ekipan’ny UBMT ireto, hatramin’ny nahatongavany tany an-toerana. Mpilalao efa manana ny fahaiza-manaony izy ireo, satria olona efa niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2024 i Donald sy i Tinakely. Nandray anjara tamin’ny Mondial La Marseillaise farany teo koa izy telo mirahalahy. Andrasana ihany koa ny fandraisana anjaran’ireo ekipa malagasy roa izay vao tonga any France, ny talata lasa teo, ahitana an’i Lova sy i Balôty ary i Tonnerre. Eo koa i Bondy sy i Mika ary i Tafita.
Tompondaka




