Zava-mahadomelina : rongony 16 gony tra-tehaka

Saron’ny zandary ny rongony milanja 320 kg tao Ankazomahita, anatin’ny kaominina ambanivohitra Antsohihy, afakomaly. Nitondra roa gony avy ireo valo lahy no nifanehatra tampoka tamin’ny zandary. Nitotaly 16 ny gony nitondran’izy ireo ny rongony. Nahatazana ireo mpitandro filaminana nanao fisafoana, nirifatra nandositra ireo vantan-dehilahy. Nariany teo amin’ny sisin-dalana ireo entana. Nosavain’ny zandary, rongony efa maina avokoa no nameno ireo gony. Nentina nihazo ny biraon’ny tobim-paritra Antsohihy ireto rongony an-jatony kilao ireo. Niroso amin’ny fikarohana ireo tompon’antoka amin’ny fitaterana ireo karazan-java-mahadomelina mahery vaika ireo ny mpitandro filaminana ao an-toerana.. Ho dorana avokoa ireto rongony tra-tehaka ireto. Manentana ny mponina ifotony hampita ny loharanom-baovao kosa ny zandary ahafahana misambotra ireo olon-dratsy. Tsiahivina, mampirongatra ny tsy fandriampahalemena ny firongatry ny famarotana rongony eto an-toerana. Anisan’izany, ny fisian’ny tontakely eto an-dRenivohitra sy amin’ny faritany hafa miampy ny hala-boty miseholany.

Jean Claude

Partager sur: