Niady tamin’ny fanapoizinana nahazo azy, zazavavy iray maty tao Ampatsinakoho, fokontany Betoafo, kaominina Vangaindrano , afakomaly. Avy nanjono teny an-dranomasina, nentin’ny renim-pianakaviana hatao sakafo ny karazan-trondro iray atao hoe Botala na Tsikoboriaky tao an-tokantranony, ao Ampatsinakoho, io trondro io. Manan-janaka telo mianadahy, niara-nihinana io trondro io izy ireo. Nataon’izy ireo sakafo hatramin’ny atodin’ilay trondro. Nanomboka tsy nahazo aina anefa ny iray trano. Narary, nandoa sy nivalana ka niafara tamin’ny tsy fahatsiarovan-tena ny aretin’izy efa-mianaka. Nahatsikaritra ny zava-nisy, nifamonjen’ny mponina manodidina navotana ilay ramatoa sy ny ny zanany.
Namonjy hopitaly
Nentin’ireo manodidina namonjy toeram-pitsaboana avy hatrany ireo lasibatr’io fahapoizinana ara-tsakafo io. Efa nahatsiaro tena ilay renim-pianakaviana sy ireo zanany roa lahy. Tsy tana ny ain’ilay zanany vavy. Noho ny fahasahiranana, lasa mihinankinam-poana ny ankamaroan’ny tokantrano sasany. Raha tsiahivina, anisan’ny manomo olona amin’ny alalan’ny fanapoizinana ara-tsakafo ankoatr’ity trondro ity koa ny veoveo.
Tsiferana R.