Laza adina mivoaka alohan’ny fotoana? Efa nahabe resaka tamin’ny fanadinana BEPC. Nidona ary nihatra amin’ny fanadinana bakalorea. Tantara be ny laza adina tantara sy jeografia. Aleo handeha ary ho hita eo ny fandaminana: famerenana ny fanadinana anio, fahazoan’ny mpiadina misafidy na hiatrika izany na tsia, izay isa tsara no halaina raha mamerina, hisy tombon’isa manokana homena… Fanadinana lehibe ho an’ny fitondram-panjakana izay? Mba fitondrana to teny, azo itokisana… Hatraiza? Fanadinan isan’andro koa izay misy sy iainana amin’izao.
Eo, ohatra, ny fanatanterahana fifidianana filohan’ny Repoblika hoe ao anatin’ny filaminana sy fitoniana. Aiza ho aiza? Tsy ilaozan’izay manao hosoka, mandika lalàna tsy amin’izay izy, tsy miatrika ny raharaha nefa te ho afaka… Mbola mahabe resaka amin’izao, ohatra, ny amin’ny vola enti-manana ny fifidianana; eny, na eo aza ny kitapom-bola iombonan’ny mpiara-miombon’antoka. Toy izany koa ny amin’ny adihevitra eo amin’ny tontolon’ny firotsahan-kofidina. Na ny momba ny fizakana zom-pirenena io, na ny amin’ny anto-bola fahazoana mirotsaka.
Fanadinana ho an’ny fitondram-panjakana izany? Ho hita eo na ho vita sy afaka… Karazana loza adina ny laza adina amin’izany? Miala loza fa efa misy ny miandry kendry tohina fotsiny amin’izay mety ho fahavoazana sy tsy fahombiazana. Natao hitsinjo mialoha izay mety hitranga ny hoe mitondra? Nahoana, hono, ohatra, no tsy natao miara-tonga isaky ny foibem-panadinana ny laza adina sy ny laza adina fiandry? Amin’izao, mandeha sy voizin’ny sasany etsy sy eroa ny fandrahonana fidinana an-dalambe, fa tsy araka izay iheverany azy, hono, ny raharaha. Laza adina koa izay? Na loza adina mila ialana sy afaka…
R. Nd.