Nohelohin’ireo sendika rehetra, mivondrona eo anivon’ ny SSM ny herisetra nihatra tamin’ny mpitarika ny sendikan’ny mpiasan’ny Cnaps. “Nametraka fitoriana izahay ary nampitsahatra tanteraka ny asa aloha. Tsy azo ekena izany, tonga amin’ny famonoana tahaka izao ny hetsika fitakiana ny tsy tokony hanaovana tantely afa-drakotra ny volam-bahoaka ato aminay”, hoy ny mpitarika ny sendika eo anivon’ny Cnaps, Hajaina, omaly, tetsy Ampefiloha.
Niharan’ny fikasana hamono izy raha nody tany an-tranony, afakomaly hariva, ary niezaka nanohitra ny tsindron’antsy nataon’olona iray azy. Mety tsy olon-tsotra na sivily ilay nikasa hamono, araka ny nambarany. Tsy hipetra-potsiny izy ireo fa efa nametraka fitoriana ary niroso koa amin’ ny fampitsaharana ny asa, araka ny tapaky ny fivoriambe “AG”.
Mbola mitaky ny marina momba ny fitoriana efa nalefa eny amin’ny Bianco, ny taona 2022 koa izy ireo, manoloana ny gaboraraka eo anivon’ny Cnaps. “Tsy hita ny tohin’ny fanadihadiana nefa tsy tokony havela ho afa-maina ireo tsimatimanota sy ireo mpiray tendro aminy fa tena potika ny firenena ary voaroba ny volam-bahoaka…”, hoy izy ireo. Notakin’izy ireo ny fandraisan’andraikitra haingana avy amin’ny fanjakana.
Ampiharo amin’ny rehetra ny fanjakana tan-dalàna, araka ny nambaran’izy ireo hatrany.
Synèse R.