TARATRY ny KANTO

Hahemotra rahampitso ny “Manala azy vita Bacc”. Na efa vonona aza ny Olombelo Ricky sy ny mpikarakara, voatery noraisina ny fepetra noho ny zava-nitranga, ny alarobia teo. Manan-kery hatrany kosa ireo tapakila efa lafo, ary tsy miova ny fandaharam-potoana, raha ny fanazavana, omaly. Ao Antsahamanitra ihany, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny seho.

Hisy kosa ny “Fiderana vita Bacc”, anio, ma­nomboka amin’ny 4 ora hariva, etsy Antsa­hamanitra ihany. Fampisehoana hira fiderana, iarahana amin-dry Jaw’s Band, Dida sy Tahiana, Aaron Pretra, Eliandry, Manu Ram, DJ Denis Jee ary Mc Aldo izany. Sady ho fisaraoana an’Andriamanitra noho ny fahatontosan’ny fanadinana, no fialamboly ihany koa hoan’ireo izay hanatrika izany.

Kalokalo an-gitara indray ny etsy amin’ny Piment Café Behoririka, anio alina. Hanafana ny fotoana ry Ony, Tolotra, Douglas ary i Nary. Efa hain’ireo mpanaraka fa hibahana kokoa ny famerenana ny sanganasan’i Dadah Rabel rehefa ry zalahy ireto no tafaraka. Tsy izay ihany anefa, hamerina ireo hira an-gitara, nanamarika vanim-potoana maro koa izy efadahy.

“From Antananarivo to Arles”, na “From A
to A”. Io no lohatenin’ny fampirantiana saripika, hataona Malagasy mpaka sary enina mianadahy ao amin’ny Galerie aux Dock d’Arles, Frantsa, hatramin’ny 19 aogositra izao. Samy manana ny lohahevitra hasongadiny ry Miora Rajaonary, Viviane Rakotoarivony, Iako Ran­drianarivelo, Christian Sanna, Rijasolo ary Henintsoa Rafalia, mandritra izany.

Partager sur: