Fifaninanana robotika: tafakatra famaranana i Madagasikara

Sambany i Madagasikara no tafakatra hanao ny dingan’ny famaranana fifaninanana robotika « Panafrican robotics competition » (Parc engineers league), laharana faharoa taorian’i Nizeria. Famaranana hatao any Sénégal, ny 23-31 jolay 2023. Manohana ny ekipa malagasy ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fifandraisan-davitra, ny fampiroboroboana ny niomerika ary ny paositra (MNDPT). Homen-danja ny fahaiza-manao sy ny traikefan’ny tanora malagasy.
Mikasika ny teknolojian’ny fambolena (AgriTech) ny lohahevitra amin’ity famaranana ity. Namorona fitaovana “automatique”, «robot», arahi-maso amin’ny ordinatera, manavaka ny ahi-dratsy, « AgRobot » ny ekipa malagasy, ahitana an-dRanitratsilo Jimmy, Law Anthony, Ziona Alberson.
Fifaninanana mikasika ny robot goavana indrindra aty Afrika ny Parc engineers league. Natao ho an’ny tanora sy ny mpianatry ny oniversite. Miisa 1 500 ny tanora nahazo fiofanana mikasika ny siansa, ny teknolojia, ny injenieria ary ny matematika (STEM4Good), tato anatin’ny 6 taona.
Hiantohan’ny MNDPT ny saran-dalana fiaramanidin’ny ekipan’i Madagasikara. Noraisin’ny minisitra Razafidramalo Tahina, izy ireo, ny 19 jolay teo.

Njaka A.

Partager sur: