Anisan’ny hetsika ankalazana ny faha-20 taona ny Orange Madagasikara ny lalao «Tombola Tafabe». Natolotra, omaly, ireo lokabe ka azon -dRatompoarisoa Antoinette ny fiara vaovao Renault Duster. Faharoa, moto scooter vaovao, lasan-dRasolondray Roger avy any Ambilobe. Fahatelo, lelavola (Orange money) mitentina 5 tapitrisa Ar ho an-dRalalaoharison José Marino, monina eto Antananarivo. Nilaza izy, “tsy nampoiziko ny nahazo ilay loka. Hanampiako ny tahiry eo am-pelatanan’ny fianakaviko ilay lelavola azoko hanatanterahana ny tetikasako». Fahefatra, famandrihana internety Orange mandritra ny herintaona ho an-dRatsimbazafy Valiha Harindranto.
Anisan’ny mpanjifan’ny Orange Madagasikara nandritra ny 20 taona Ratompoarisoa Antoinette, nahazo ilay fiara, Renault Duster. Marihina fa Fahana 1 000Ar dia nahafahana nandray anjara tamin’ny lalao Tombola Tafabe Orange, ny 1 hatramin’ny 30 jona teo. Natao ny 5 jolay ny fisarihana. Nahatratra 1 500 000 no nandray anjara.
Nambaran’ny talen’ny Fitantanana ny mpiasa (DRH) eo anivon’ny Orange Madagasikara, Andriantsilavo Zo fa mbola mitohy ny hetsika fankalazana eto Antananarivo sy any amin’ny faritra.
Tsy mitsaha-mitombo ny andraikitra sahanin’ny Orange Madagasikara nandritra izay 20 taona nisiany teto amintsika izay.
Henintsoa Hani.