Tratra teo am-pianihana tamboho tao Analankinina Hopitalibe-Toamasina, ny alatsinainy teo, ny lehilahy iray, raha nikasa hangalatra tao an-tranon’ny rahalahiny ihany.
Nandritra ny ora-nikija sy fahatapahan’ny herinaratry ny Jirama no nisehoan’izany. Tsy nandondona sy niantso izy fa niditra moramora ka nihanika ny tamboho misy ny tranon’ilay rahalahiny. Miaramila miasa ao Toamasina ihany anefa ity rahalahiny saika hanaovany asa ratsy ity. Naheno zavatra hafahafa nianjera tany ivelan’ny trano io rahalahiny io ka nivoaka haingana. Hatairana ny azy raha nahita ity mpiray tampo aminy nihanika ny tamboho niditra tao an-tanànany. Nosamboriny avy hatrany ilay rahalahiny ka nokatsanany tamin’ny antsy ny rantsan-tanany roa havia. Nalefany nivoaka ny vavahady taorian’izay. Vokany, nijininika ny ra. Lasa namonjy ny Hopitalibe Toamasina ity jiolahy ity ka efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Voalazan’ny tompontrano fa efa matetika izy no vaky trano sy very entana. Anisan’ireo entana efa very tao an-trano ny moto sy valizy feno lamba, finday avo lenta sy maro isan-karazany. Nataony nitondra faisana amin’izay ity rahalahiny ity satria nentin-katezerana izy noho ny fahasahiana nataony. Efa fantatry ny fianakavian’izy ireo anefa izany asa ratsy fanaon’ity rahalahiny nivadika nanao asan-jiolahy ity. Manoloana izao raharaha izao, mitarika fikorontanana eo amin’ny samy fianakaviana ity fanapahan-kevitra noraisin’ny rahalahiny ity tamin’ny fanapahana ny tanany. Lasa vesatra ho an’ny anabaviny ny fikarakarana rehetra satria izy avokoa no misahana ny fikarakarana any amin’ny hopitaly.
Sajo/J.C