Hotontosaina ny 7 hatramin’ny 19 aogositra 2023, eny amin’ny Alliance française (AFT) Andavamamba, ny hetsika «Salon des jeux de société» iarahany amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Kilalaon-tsaina malagasy sy vahiny maro samihafa no ho hita mandritra izany hetsika izany. Anisan’izany ny “échecs”, “dame”, “belote”, “loup garou”, fanorona, katro… Raha ny fandaharam-potoana, ny herinandro voalohany no hanaovana ny fianarana sy fizarana mahakasika ireo kilalaon-tsaina isaky ny karazany avy. Ny herinandro faharoa kosa no hanaovana ny lalao sy fifaninanana rehetra eo amin’ireo lalaon-tsaina ireo.
Hisy ihany koa ny fianarana sy fifaninanana amin’ireo kilalaon-tsaina ireo. Misokatra ho an’ny rehetra ny fandraisana anjara, ary maimaimpoana tanteraka. Tanjona ny hampiroborobo ny kilalaon-tsaina eto Madagasikara, ahafahana mitondra fanabeazana amin’ny alalany.
“Efa mahazo laka eny rehetra eny ny kilalaon-tsaina malagasy. Tanjona ny hampandroso azy sy hitondra azy amin’ny sehatry ny matihanina kokoa ary hametraka azy amin’ny toerana tena tokony hisy azy” hoy ny tomponandraikitry ny hetsika.
Lin




