Ny mpitondra no mitondra dia ny vahoaka. Ny vahoaka no antom-pisian’ny mpitondra. Ho an’ny vahoaka izay rehetra ataony. Ny vahoaka izany no lehibe, mpampiasa… Hatraiza? Izay ilay hoe natao hanompo vahoaka, fa tsy hotompoina ny mpitondra. Fifanarahana sosialy na fifanarahana amin’ny asa no ifanaovan’ny roa tonta amin’izany. Amin’ny alalan’ny fifidianana io.
Izay no maha zava-dehibe ny foto-kevitra na politika entin’izay mirotsa-kofidina, handresen-dahatra ny mpifidy, fanamby hotanterahina rehefa tonga eo amin’ny fitondrana. Miara-dalana ho azy amin’izany ny vinam-piarahamonina, fandaharanasa, paikady… Izay koa no maha zava-dehibe ny fifidianana. Tompon-tsafidy ny olompirenena: inona no laharam-pahamehana aminy, ny hetahetany… ?
Araka izay fanamby nifanarahana tokoa ve no hataon’ny mpitondra mahazo fanjakana? Tsy ratsy ny fampanantenana sy famalifaliana amin’ny fampielezan-kevitra. Mitaky asa mivaingana, fanatanterahana, tamberin’andraikitra… Zava-dehibe ny fampielezan-kevitra fa tsy fahazoana “tee shirt” na vola, tsy fijerena fampisehoana… Fotoana fandinihana sy fampitahana ny fandaharanasan’ireo kandidà izany.
Tonga amin’izany lentam-pandinihana izany ve ny mpifidy? Ny ataon’ny kandidà no antony. Mbola hanao fampielezana fanomezana fa tsy hevitra? Mila tezaina ny vahoaka. Mahalala sy mahavita ny asany ve ny antoko politika? Na mbola vola noho ny fahantram-bahoaka no ampiadiana fa tsy hevitra… Raha tena misy ary tsara sy marina ny hevitra, manaraka ho azy ny vola? Na latsakemboka, na fanohanana…
Tsy ny hevitra ve no hahazoam-bola avy amin’ny tsara sitrapo amin’izay mahasoa? Fa tsy ny vola no ndeha hahazoan-kevitra amin’ny vahoaka… Mbola izay ny fifidianana hatramin’izay? Mba hisy fiovana amin’izay…
R. Nd.