Ho henjana ny lalao

 

Mahafinaritra ny mahita ireo mpanao politika serintseriny amin’ny fanomanana ny fifidianana ho avy rehetra. Samy miolomay mitady mpiara-miombon’antoka any ivelany avokoa ny mpifaninana ho filohan’ny Repoblika. Manao ny ady sisika amin’ny mpanambola sy ny resaka diplomatika. Ny iraisan’izy mianakavy, tsy mbola mahazaka tena irery. Tsy maintsy miankindoha amin’ny vahiny sy ny firenen-dehibe. Na izay noheverina ho nanan-kambo sy mpanenjika « vazaha », nikopakelatra any an-dafy, milampilampy.
Mahasadaikatra ny hitsara azy ireny, fa ny ankamaroany zara raha manana fotokevitra sy politikam-pampandrosoana. Mahavalalanina ny mahita ireo kandidà misora-tena fa sangany sy lohalaharana kanefa ny komity mpanohana eny ifotony aza tsy voafehy. Firifiry ny mimenomenona sahady fa efa misy manodina ny volakely natao vodiondrim-barotra. Indroa na intelo novana ny mpandrindra eny amin’ny fokontany. Sady tsy mahatarika olona no tendan-kanina amin’ny volan’antoko na ny fikambanana.
Manomboka amin’ny kandidà, hatrany amin’ny mpanohana no tsy manana etika politika. Ny tena zava-doza, tsy manana na fandaharanasa akory aza ny sasany amin’ireo efa sahy miseho masoandro. Tsy manam-bahaolana hoenti-mamaha ny olana eto Madagasikara. Tsy manana drafi-pampandrosoana matotra. Manahirana ny hisafidy ireny manambola hoenti-mirotsaka sy manao fampielezan-kevitra ireny kanefa poakaty raha vao miresaka politikam-pirenena.
Amin’ny ankapobeny, sarotra ny ho fandidiana! Samy mahay milalao ny vahoaka malagasy ny mpifanandrina politika, izay samy efa nitondra ny firenena avokoa. Samy tompon’antoka amin’ny zava-misy iainan’ny Malagasy rehetra ankehitriny. Ny maha samy hafa azy, ny efa nahazo toerana tsy maintsy hamikitra mafy. Manana tombondahiny amin’ny fahefana rehetra.
Samy tsy hisy hanaiky lembenana anefa ny rehetra. Ho henjana ny lalao.

r.r

Partager sur: