Lasan-ko vavany tahaka ny harontabebaka

 

Mila miverina eny an-doharano e ! Manana ny fototra niandohany ny Malagasy e ! Aleo isika miresaka amin’ny teny malagasy madiorana e !…Ny vava no mitatatata fa tsy mifanitsy amin’izany akory ny atao. Maro ny sehatra itrangan’ny tahaka izany. Mahavita ny miteny ny zanany naterany ve ny ray aman-dreny ao an-tokantrano dia ho tahaka ireny ny fomba fiakanjon’ny zanany ? Tsy fampiseho masoandro. Nahay nampita ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ve ireo lazaina fa mpanakanto dia ho voasariky ny « kolombody » ny tanora maro ankehitriny ? Misy adidy tsy efa ao. Raha natao teny hoenti-mampia­natra ve ny teny malagasy dia ho sahy hanivaiva izany ny tanora miaina amin’izao vanim-potoana izao ? Misy aza sahy miteny hoe : « aleo hazavaiko amin’ny fiteny vahiny fa izay no ahaizako azy kokoa » !
Tsy mandray andraikitra ny Malagasy fa lasan-ko vavany tahaka ny harontabebaka fotsiny. Araraotin’ireo saribakolim-bazaha izany hamafazany ny momba azy manontolo (fombany, toe-tsainy, ny kantony, ny finoany, sns). Satria tsy mahalala sy tsy niaina ny azy ny Mala­gasy, roboka avy hatrany. Tafiditra ao anatin’ny fanjanahantany amin’ny endriny « maharikoriko » i Mada­gasi­kara. Maharikoriko satria lasa tompony mangataka ny atiny, amin’ny lafiny rehetra mihitsy. Manana ny maha izy azy, hono, ny Malagasy. Sao ilay tsy fandraisana andraikitra sy fanaovana harontabebaka, no maha izy azy ? Raha izany, tsy ho afa-bela amin’ireo mpanjakazaka an-tanin’olona ny Malagasy.
Mila miainga any amin’ny fanabeazana ny fanarenana ny lesoka. Raha tsy izay no hatao, hitady ny tanindra­zany any ivelany ny Malagasy !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: