Feno 50 taona ny Sekoly ambony politeknika eny Vontovorona. Tsy avela handalo fotsiny, fa homarihina amin’ny hetsika marolafy izany, raha ny fanazavana nentin’ny komity mpikarakara, tetsy amin’ny foiben’ny Telma Andraharo, omaly. Hotontosaina ny zoma 28 jolay izao ny fanokafana, izay hatao eny Vontovorona ihany.
Anisan’ny fotoan-dehibe amin’io fotoana io ny fampisehoana goavana sy maimaimpoana iarahana amin’ny tarika Mahaleo. «Tarika niady ho an’ny fanabeazana ny Mahaleo. Tarika nanamarika ny 50 taonany ihany koa izay mitovy amin’ny Espa Vontovorona ka izay no antony nisafidianana azy ireo», hoy ny fanambarana nataon’ny filohan’ny komity mpikarakara ny hetsika, omaly.
Mialoha ny fampisehoana, hisy ny « carnaval » izay hotontosain’ny fianakaviamben’ ny ESPA Vontovorona. Arahina fotoam-pivavahana izany, sy fametrahana ny vato fototry ny « salle de thèse ». Hatao ho vato fehizoron’ny fankalazana ny faha-50 taona io efitrano io. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny « speed recruting », na ny fandraisana mpiasa eo noho eo, hataon’ireo orinasa mpiara-miasa.
Zo ny Aina